top of page

Fankalazana faha-10 taona ... lasa izao e!

  • Anjomaran'ny Fitiavana
  • 13 juil. 2017
  • 2 min de lecture

Finaritra e!

Misaotra an'Andriamanitra Avo indrindra fa tanteraka soa aman-tsara tamin'ny alahady 2 jolay teo fanokafana offisialy sy tamin'ny fombam-piangonana ny fankalazana ny faha-10 taona. Mankasitraka anareo izay tonga nanontrona sy niara-niombom-bavaka taminay, ary indrindra mbola hitondranareo am-bavaka anay mandrakariva mba ho tanteraka tokoa ny teny faneva: "Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho. Ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva." Sal 22/22a ; 35/28b

Ho anao izay tsy afaka nanatri-maso kosa dia natao ho anao izao blog izao. Ny hafatra tsy mandreraka anay ny mamerimberina azy dia hoe : Tena tia anao Jesoa Kristy.

Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra.

Fandaharam-potoana (nandritran'ny fanompoam-pivavahana 2 jolay 2017)

. Fiarahabana apostolika

. Salamo 75: 1-9

. Hira FFPM 38 : He, Hosana!

. Vavaka fiderana sy fisaorana

. Fanambarana ny sitrapon'Andriamanitra :

Lioka 9: 59-60 ... Sambatra ny mahitsy làlana...

. Fiaiken-keloka :

Vavaka fifonana

. Hira : Rahoviana (Joseph d'Af)

. Famelan-keloka atolotr'Andriamanitra :

2 Mpanjaka 22 : 19a - Isaia 43 : 1-25 ... Sambatra ny olona izay voavela ny helony ...

. Hira : Misaotra Anao (Ndriana Ramamonjy)

. Fanekem-pinoana (laharana 1)

. Raharaham-piangonana

. Miditra amin'ny tontolon'ny tenin'Andriamanitra :

. Hira : Miankohoka Aminao (Amboaram-peo Anjomaran'ny Fitiavana)

. Vavaka fangatahana ny fanazavan'ny Fanahy Masina

. Vakiteny :

Jeremia 26 : 8 -15

Jaona 20 : 21 - 23

Asan'ny apostoly 5 : 17 - 32

. Hira FFPM 301 : 1,4,5 : He, Sahanao, Mpamonjy ô!

. Toriteny : Teny faneva fahafolo taona (Salamo 22 : 22a + Salamo 35 : 28b)

"Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho. Ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva"

. Vavaka fangatahana

. Rakitra

. Fanokafana ny fankalazana fahafolo taonan'ny amboram-peo Anjomaran'ny Fitiavana

. Hira : Fitiavana fifankatiavana (Les Adelines)

. Tsodrano

"Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra"

Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary Fanahy Masina. Amen

Ho an'ireo izay nahazo fanasana manokana kosa dia mbola nitohy tamin'ny cocktail izany.


 
 
 

Commentaires


Posts à l'affiche
Posts Récents
Archives
Retrouvez-nous
  • Facebook Basic Square
  • Twitter Basic Square
  • SoundCloud Social Icon
  • Facebook Social Icon
  • Twitter Social Icon
  • YouTube Social  Icon
  • SoundCloud Social Icon
  • Instagram Social Icon

© 2017 by RHADO. Proudly created with Wix.com

bottom of page