top of page

TATITRA FIVORIANA KOMITY FAHAFOLO TAONA:

​

Alakamisy 18/05/2017:

​

Fitarihana ny fotoana : Filoha Njaka 

Toriteny : I Korintiana 13: 1-13

Teny fanolorana : Fiarahabana ireo rehetra nantsoina handrafitra ny KOMITY FANKALAZANA NY FAHA 10 Taonan' ny Amboaram-peo  ANJOMARAN'NY FITIAVANA.

Fanolorana an' Atoa RAZAFINDRAZAKA HANDRISOA ho FILOHAN'NY KOMITY FANKALAZANA , fanolorana izay nataon'ny

Amboaram-peo ANJOMARAN'NY FITIAVANA, noho ireto antony manaraka ireto:

       * Izy no Filoha Mpanorina ny Anjomaran'ny Fitiavana.

       * Izy no efa nitantana ny nandritra ny fotoana ela indrindra ka mahafantatra tsara ny momba ny amboaram-peo.

       * Izy dia efa manana traikefa maro eo @ fandrindrana ny asan'ny komitin'ny fankalazana maro samihafa.

Nandray fitenenana ny FILOHAN'NY KOMITY, ary nitondra ny teny fialan-tsiny ho an'ireo komity namana tsy afaka niatrika ny fotoana;

 

Niroso t@ laha-dinika : Fifidianana teny Faneva ( Samy nanolotra ny andinin-tsoratra masina efa nomaniny avy)

 

1- Salamo 71.8

2- Salamo 35.28b

3- Isaia 42.10

4- Isaia 49

5- Isaia 58.1b

6- IKorintianina 16.14

7- Joda 21

8- Isaia 40.9b

9- Romana 1.15

10- Salamo 22.22a

Nisy ny hevitra nanambarana ireo Teny:

1- Isaia 40.9b + IKort 16.14 : "Asandrato mafy ny feonao, Izay rehetra ataonareo dia ataovy @ fitiavana"

2- Isaia 40.9b + Salamo 35.28b : " Asandrato mafy ny feonao, Ny fiderana Anao no ataoko mandrakariva"

3- Salamo 22.22a + Salamo 35.28b: "Hitory ny Anaranao @ rahalahiko aho; Ny fiderana Anao no ataoko mandrakariva"

4- Isaia 58.1b +  Salamo 35.28b : Asandrato ny feonao tahaka ny an'ny Anjomara; Ny fiderana Anao no ataoko mandrakariva"

 

Tapaka fa ny laharana faha-3 no atao TENY FANEVA:  

 

"Hitory ny Anaranao @ rahalahiko aho; Ny fiderana Anao no ataoko mandrakariva"Salamo 22.22a,Salamo 35.28b

 

 NY LOKO HAMPIASAINA : Manga (Bleu turquoise) + Fotsy

 

 LOGO sy ny HIRA FANEVA : Hampilazana amin'ny raharahan'ny fiangonana izany ka manomboka ny Alahady 21 mey 2017 ary hifarana ny Alatsinainy 12 jiona 2017 @ 4 ora hariva no fara-fandraisaina ny sangan'asa hifaninana.

 

Nifarana ny fivoriana ary ny fivoriana manaraka dia hatao @ ALAKAMISY  8 JUIN 2017 @ 6ora sy fahefany hariva eto am-piangonana ihany.

​

Alakamisy 08/06/2017:

​

" HITORY NY ANARANAO AMIN'NY RAHALAHIKO AHO; NY FIDERANA ANAO NO ATAOKO MANDRAKARIVA" Sal.22.22a ; Sal 35.28b

​

Toy izao indray ny tatitry ny fivorian'ny Komity faha 10 taonan'ny Anjomaran'ny Fitiavana:
  
  1/ Fifidianana birao:
            Filoha lefitra: RANAIVOSAONA Patricia.
            Mpitan-tsoratra: Iréne RAZAFINDRAKOTO.
            Mpitam-bola: RAZAFIMANANTANY Andry Fanilo
            Mpitan-tsoratry ny vola; RATSIMAMANGA Zo Nantenaina.
            Mpanolo-tsaina: RAKOTONINDRINA Tovohery Adolphe
                                         sy  RANDRIAMAMPIONONA Stan

  2/Fanazavana momba ny tsangambato:
         Araka ny resaka efa nifanaovana tamin'ny Ray aman-dreny Mpitandrina dia ny TONTOLO MAITSO MANODIDINA NY FIANGONANA ANTETEZAMBARO no atao tsangambato. 

Notapahana anefa fa mbola azontsika atao ny manampy tsangambato hafa,koa samy itondra soso-kevitra @ fotoana manaraka.

 

  3/Fanokafana ny fankalazana: Alahady 2 Jolay 2017

  - Fanazavana ny endriky ny Litorjia: Ny hira atao dia tsy hira ao anaty fihirana mahazatra fa kendrena mba ho ireo hira fandre mahazatra ny olona, kanefa manaraka ny firafitry ny Litorjia.

  - Tapaka fa ny mitarika ny fotoana: Coach STK DADA ANDRY 

  - Mitoriteny: Pasteur Niry RAKOTOMALALA.

  - Fanamiana: Hanao fanamiana ny Komity.

                      TAPAKA FA SAMY MIANTOKA NY FANAMIANY AVY NY KOMITY TSIRAIRAY.

                      Tompon'andraikitra fanamiana vehivavy: ZO NANTENAINA.

                      Tompon'andraikitra fanamiana lehilahy: STAN

  - Hisy COCKTAIL aorian'ny fanompoam-pivavahana.

 

  4/ Ny momba ny LOGO sy HIRA FANEVA dia mifarana ny 12 Jona 2017 @ 4ora hariva.

 

  5/ SAMIHAFA: Entanina ny tsirairay mba hanolotra hevitra momba ireo hetsika hanamarihana ny fankalazana.

 

Ny fivoriana manaraka dia ny ALAKAMISY 15 JONA 2017 @ 6.15 hariva. Ny laha-dinika amin'izany dia ireto avy:

   - Fifidianana LOGO sy HIRA FANEVA;

   - Fizarana ireo vaomiera samihafa.

   - Fitondrana soso-kevitra momba ny hetsika.

​

  • Facebook Social Icon
  • Twitter Social Icon
  • YouTube Social  Icon
  • SoundCloud Social Icon
  • Instagram Social Icon

© 2017 by RHADO. Proudly created with Wix.com

bottom of page