

"Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; Ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva." Sal 22/22a ; Sal 35/28b

IREO BIRAO MPITANTANA SY MPITARIKA :
RATIARISOA
Feno Harinjaka
// Filoha
RABOANA
Nilaina Mireille
// Mpitan-tsoratry ny vola
RANDRIANASY
Hantamalala Olga
// Filoha mpanampy
RASOLOFONDRAMANITRA
Ranto
// Mpanolo-tsaina
RALISIARISOA
Viviàne
// Mpitan-tsoratra
RANIVOARIMANANA
Mamy
// Mpitam-bola
RAZAFINDRAKOTO
Irène
// Mpanolo-tsaina
Mpampianatra hira:
Mpanazatra feo:
RAZAFINDRAZAKA
Handrisoa
// Filoha mpanorina
ANDRIANARISATA
Rado
//Sady mpampianatra hira
HETSIKA:
Daty - Toerana - Tanàna
JUMELAGE ANY AN-TSAHA :
10, 11 Jiona 2017 - FJKM ANTSAHA FAMONJENA - Ihotsika, Foulpointe Toamasina MADAGASIKARA
HIHIRA HO ANAO AHO RY TANIKO FAHA-5 :
25 Jiona 2017 @ 3 ora- FJKM Tranovato Fitiavana Anjoma - Toamasina MADAGASIKARA
FANOKAFANA FAHAFOLO TAONA :
02 Jolay 2017 @ 8 ora 30 - FJKM Tranovato Fitiavana Anjoma - Toamasina MADAGASIKARA

TANTARAN'NY AMBOARAM-PEO
Tamin’ny 6 May 2007 no notokanana teto amin’ny FJKM Tranovato Fitiavana Toamasina ny Antoko Mpihira “Anjomaran’ny Fitiavana”.
​
ANTOM-PISIANA:
-
Manentana ny fiangonana mandritra ny litorjia manontolo mba tena ho mendrika ny voninahitr’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahana izay hiantsoana ny Tompo.
-
Mitory ny Tenin’Andriamanitra amin’ny hira ary mitaiza sy manabe ireo tanora mba hahafehy tsara ny fomba fihirana sy ny SOLFA.
Manana mpikambana voasoratra anarana 60 eo ho eo izy, ary misy ireo Sakaizan’ny Anjomara izay Ray aman-dreny mpiara-miasa akaiky.
​
TENY FANEVA:
« Hihira ho an’i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola miaina. » Sal. 104 : 33
HIRA FANEVAN’NY ANJOMARAN’NY FITIAVANA : HIHIRA AHO
​
​
​
LOGO ANJOMARAN’NY FITIAVANA :
​
​
​
​
​
​
​
​
​
NY BIRAO MPITANTANA :
-
Filoha : RAZAFINDRAZAKA Handrisoa
-
Mpitam-bola : HARIANTA Herizo Dorette
-
Sekreteran’ny Vola : RAHARISEHENO Fenosoa
-
Sekretera : RAVELOJAONA Charlot
-
Mpanolotsaina : RAVELOARISANDY Vololoniaina Domohina
IREO VAOMIERA 4 :
-
Vaomieran’ny Aim-panahy
-
Vaomieran’ny Hira
-
Vaomieran’ny Fitaovana
-
Vaomieran’ny Fifandraisana sy ny Sosialy
FANKALAZANA NY FAHA 5 TAONA :
Noho ny fahasoavan’ny Tompo dia feno 5 taona tamin’iny taona 2012 iny ny Antoko Mpihira.
Nosokafana ny Alahady 06 May 2012 ny fankalazana izay naharitra efa-bolana eo ho eo.
Ny teny faneva nofidiana tamin’izany diaizay voasoratra ao amin’ny Salamo 147/1a “Haleloia,fa tsara ny mihira ho an’Andriamanintsika”.
Tsara Andriamanitra, ary tsara koa ny mihira fiderana Azy taratr’izany fahatsarany izany. Nisy ny fifaninanana hira faneva sy sary famantarana izay nahafahan’ny rehetra nandray anjara ka teo amin’ny hira faneva dia nisy 4 ny mpandray anjara:
-RAZAFINDRAZAKA Handrisoa
-RAMANANKILANA Henintsoa
-ANDRIANANTENAINA Jocelyn
-RAKOTOMALALA Finoana sy RAKOTOMALALA Fanantenana
ka RAZAFINDRAZAKA Handrisoa izay tsy iza moa fa ny filoha nitantana ny sampana nandritry izay dimy taona izay ihany no nahazo ny laharana voalohany .
Teo amin’ny sary famantarana kosa dia nisy 4 ny mpifaninana:
-ANDRIAMAROZO Henintsoa Onja Lalaina
-RASOLOFONDRAMANITRA Ranto
-RAHERINANTENAINA Hajasoa
-ANDRIAMAMPIONONA Zo
ka Andriamahazo Henintsoa Onja Lalaina no nahazo ny voalohany.
Somary nanano sarotra ihany ny fifidianana satria dia samy manan-talenta avokoa ireo mpandray anjara.
Hira faneva sy sary logo fahadimy taona:
​
Nisy ny TSANGAMBATO napetraka ho fahatsiarovana izao faha-5 taona izao ary indrindra koa entina hanatanterahana ny anjara fanompoanay sampana:
- Instrument complet: clavier Yamaha PSR S910, Guitar basse 4cordes Finder, Guitar solo Bock, Ampli basse Berhinger, Batterie drum-Q7
- Fanamiana vaovao
Nisy moa ny Komity izay namolavola sy nikahon-doha ny amin’izay fomba hanamarihina ny fankalazana sy nahazahoana ny tsangambato, misy 26 mianadahy izy ireo :
RANAIVOSAONA Patricia
RAZAFINDRAKOTO Irène
RAKOTONDRAMBOA Rija
RAVELOARISANDY Vololoniaina Domohina
RAKOTOMALALA Fanantenana
RAZAFINDRAZAKA Handrisoa
RAMINOMANANA Hajarizaka
ANDRIANOMENJANAHARY Voahangy
ANDRIANANTENAINA Jocelyn
ANDRIAMALALA Gino Philippe
RANDRIANTIANA Moravelona
RAMITANDRINTSOA Falimanitra
RANDRIAMALALA Radotiana
RAMANANKILANA Henintsoa
RAVELOMANANTSOA Toky
RASOLOFONDRAMANITRA Ranto
TAHINARILALA Laza
RAVELOJAONA Charlot
RATIARISOA Njaka
HARIANTA Herizo Dorette
RAHARISEHENO Fenosoa
RANDRIANASY Olga
RAMAMBAZAFY Voltaire
IHARIMALALA Antoinette
RAZAFINJOHANY Solomon
RAZAFINJOHANY Victorine
Ireto kosa no mandrafitra ny biraon’ny fankalazana fahadimy taona:
Filoha: RANAIVOSAONA Patricia
Filoha mpanampy: RAZAFINDRAKOTO Irène
Mpitan-tsoratra:RAKOTOMALALA Fanantenana
Mpitam-bola : RAKOTONDRAMBOA Rija
Sekreteran’ny vola:RAVELOHARISANDY Vololoniaina Domohina
​
Maro ny hetsika izay natao na tato anatiny na tany ivelany:
-
Ny ANJOMARA dia fitaovana fanairana, izany indrindra no nanaovana ity hetsika “CARNAVAL” lehibe ity izay natao teto an-tampon-tanàna ny Sabotsy 05 Mai 2012, niainga tao amin’ny Fiangonana ary niodidina ny tanànan’I Toamasina. Nahafinaritra tokoa satria niara-nientana tamin’ny fo feno fifaliana ny rehetra haneho ny filazantsara eo anatrehan’ny manodidina. Nisy ny tracte izay mirakitra tenin’Andriamanitra sy teny fanairana izay nozaraina tamin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka tamin’ny toerana rehetra izay nolalovana. Ankoatra izay dia nisy koa ny fampahafantarana tsotsotra ny antoko mpihira.
“Ezaho mafy ny antsonao fa aza atao malemy, hasandrato ny feonao toy ny an’ny anjomara”Isaia58/1
​
2. Ny 06 Mai 2012 no nosokafana ny fankalazana, ny Mpitandrina RAKOTOMALALA Niry no nitarika ny fotoana ary Neny Volana no nitondra ny hafatry ny Tompo ka ny teny faneva no novoaboasana sy notoriana tamin’izany. Tao aorian’ny fanompoam-pivavahana dia nisy ny sakafom-pirahalahiana izay niarahana tamin’ireo solon-tenan’ny sampana.
“Fa raha omem-boninahitra koa ny anankiray amin’ny momba ny tena dia miara-mifaly avokoa izy rehetra” 2Kor12/26b
​
3. Izay mahavangivangy tian-kavana hoy isika Malagasy, nisy koa ny famagiana ireo STK rahavavy. Nokendrena indrindra tamin’izany ny hampitombo ny fifankatiavana sy ny fifandraisana eo amin’ny samy tanora kristiana.
10Juin 2012 : STK Manareza Vavahady
15Juillet 2012 : STK Salazamay
12Août 2012 : STK Betela Tanambao 5
Samy nanolotra hira iray avy ny andaniny sy ny ankilany ary niarahana nihira izany tamin’ireo fotoana ireo.Ary satria moa voafetra ny fotoam-pankalazana dia ireo STK 3 ireo ihany aloha no nahavitana izany.
Inoana anefa fa mbola hisy ny toy izany ka ho voatana hatrany ny firaisana.
Hira natolotry ny Anjomara:
“Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko, ary aoka hiara-hanandratra ny anarany isika” Sal 34/3
​
4. Mbola anisan’ny hetsika anatiny ihany dia nisy ny Antsam-panahy izay niarahana hatrany tamin’ny Antoko Mpihira avy amin’ny fiangonana rahavavy sy ny STK teto an-toerana. Noho ny hamaroan’ny Fiangonana eto an-tampon-tanàna dia natao in-droa miantoana ny antsam-piderana: 10 sy 24 Juin 2012 ka na katolika na Anglikana na Loterana dia niara niombom-piderana avokoa.
“ Fana dia maro aza isika dia tena iray ihany ao amin’I Kristy”1Kor 12/12
“Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina”Sal 133/1
Ho fahatsiarovana dia nisy ny VCD vol1 an’ny Anjomara izay natolotra tamim-pitiavana ho an’ireo Antoko Mpihira nanohina ny antso.
​
5. Notanterahina tamin’ny 23 Jiona 2012 kosa ny takariva mahafinaritra izay nisokatra ho an’ny rehetra. Samy nanana ny endrika nanehoany izany ny sampana velona rehetra teto amin’ny Fiangonana fa ny Antoko mpihira manokana dia nitondra kaly sy kalo narahina fifaninanana kabary izay nandraisan’ny sampana rehetra anjara, mpikabary avy any ivelany no nitsara ny lalao. Samy niezaka avokoa ny rehetra na teo amin’ny ny fitafy na fihetsika ary indrindra moa fa ny lahateny saingy amin’ny maha lalao azy dia misy hatrany ny mpandresy ka ny solon-tena avy ao amin’ny Anjomara no nahazo ny voalohany dia i RAZANAJATOVO Marina izany.
“…Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana fa ny Tompo dia iray ihany”1Kor12/4
​
6. Teo amin’ny hetsika fitadiavam-bola kosa dia nisy ny “Déjeuner concert” izay natao ny 30 Jona 2012 tao amin’ny foyer F.J.K.M Tranovato Fitiavana ihany izay nampitondraina ny anarana hoe “Nahandro tsara tsiro”. Ny Anjomara ihany no nanafana ny fotoana ka sady finaritra ny maso no afa-po ny kibo. Isaorana ny Tompo ny fahalavorarian’ny fotoana, ary isaorana ihany koa ireo rehetra nandray anjara.
​
Ankoatr’izay, dia nisy koa ny varotra tsakitsaky (mine sao), izay natao teny amoron-dranomasina nanoloana ny SHOPRITE, ho fanampiana manokana ny mpikambana tamin’ny fanjairana ny fanamiana iombonana.
Nisy ihany koa ny “operation soupe” izay natao tao amin’ny restaurant “Le Kangourou”; ny fivarotana “signet fanekem-pinoana”, ary ny ezaka valopy.
Tsy azo adino ireo malala-tanana, izay tena nanampy sy nanohana ny Anjomara tamin’ny fomba maro samihafa. Andriamanitra manan-karem-pahasoavana tokoa ny Andriamanintsika ka tsy afaka hanaisotra ny fahasoavany amin’izay rehetra tia Azy. Izy anie hamaly fitia ny tsirairay araka ny asany avy:
7-Ny 26 Aogositra 2012 no fotoam-pamaranana, ka ny Alahady maraina no nanokanana ny tsangambato izay tsy inona fa fitaovana (instrument complet avec sonorisation, fanamiana vaovao) ho enti-manatontosa ny iraka dia ny fitoriana ny Filazantsara an-kira. Araka ny voasoratra ao amin’ny Salamo faha 150 moa dia tsy ny hira ihany no azo hiderana an’Andriamanitra, fa ireo zavamaneno samihafa koa, eny ny dihy koa aza dia tena azo hiderana sy hankalazana Azy ihany koa.
Ny Mpitandrina no nitarika ny fotoana, ary hira noelanelanina fijoroana ho vavolombelona no nisolo toerana ny toriteny. Io fotoana maraina ioihany koa no nanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo :
-
nahazo voalohany tamin’ny fifaninanana “hira faneva” sy “Sary famantarana na Logo”,
-
Komitin’ny fankalazana
-
Ray aman-dreny (Ny Mpitandrina sy I Neny Volana)
-
Solon-tenan’ny STK Synodam-paritany
-
Solontenan’ny STK teto an-toerana,
-
Nijoro ho vavolombelona, ary
-
Ny Filoha izay nitondra ny Anjomara tao anatin’izay 5 taona izay.
Fizarana vatomamy ho an’ny Fiangonana manontolo no namaranana iny fotoana maraina iny.
Ny hariva kosa dia “ANTSAM-PIDERANA” (live) no nentina namarana ny fankalazana.
Nasaina manokana ireo Antoko Mpihira izay novangiana teo aloha dia :
-
Ny Antsan’ny Salema avy ao Ziona Salazamay,
-
Ny Anjomaran’ny Mpiambina avy ao Manareza Vavahady, ary
-
Ny SAMI (Sekoly Alahady Mihira).
Ny Anjomara Fitiavana no feno 5 taona, fa Andriamanitra no tena ankalazaina “Fa Izy no nihavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy,sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay.Amena” Rom11/36
Tsy misy afa-tsy ny fahasoavany irery ihany no nahazoana nanatanteraka izao fankalazana izao, ka isaorana lehibe ny anarany.
Inoana fa, hitombo hatrany ny fiderana atao, ka na aiza na aiza, ary na oviana na oviana dia, hijoro ho vavolombelon’I Kristy hatrany ny “Anjomara Fitiavana”
“Fa tsara ny mihira ho an’Andriamanintsika, eny mamy sady mendrika ny fiderana”Sal147/1; “Hihira ho an’I Jehovah, aho raha mbola velona koa; Hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola miaina” Sal34/33.
​
​




Adiresy:
Rue Lattre de Tassigny
FJKM Tranovato Fitiavana Anjoma
501, Toamasina
MADAGASCAR
​
​Tél : 261 34 24 470 67
261 32 24 470 67
Fotoam-pivoriana:
Alarobia : 6ora15 - 7ora 30 (hariva)
Sabotsy : 3 ora00 - 6ora 30 (hariva)
Mailaka : anjomaranyfitiavana.toamasina@gmail.com